Micaiah Prophesies Against Ahab

1. And they continued three years without war between Syria and Israel.
1. On resta trois ans sans qu`il y eût guerre entre la Syrie et Israël.
1. Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
2. And it came to pass in the third year, that Jehoshaphat the king of Judah came down to the king of Israel.
2. La troisième année, Josaphat, roi de Juda, descendit auprès du roi d`Israël.
2. Ary izao no niseho, tamin' ny taona fahatelo dia nidina Josafata, mpanjakan' ny Joda, ho any amin' ny mpanjakan' ny Isiraely.
3. And the king of Israel said unto his servants, Know ye that Ramoth in Gilead is ours, and we be still, and take it not out of the hand of the king of Syria?
3. Le roi d`Israël dit à ses serviteurs: Savez-vous que Ramoth en Galaad est à nous? Et nous ne nous inquiétons pas de la reprendre des mains du roi de Syrie!
3. Ary hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin' ny tanan' ny mpanjakan' i Syria?
4. And he said unto Jehoshaphat, Wilt thou go with me to battle to Ramothgilead? And Jehoshaphat said to the king of Israel, I am as thou art, my people as thy people, my horses as thy horses.
4. Et il dit à Josaphat: Veux-tu venir avec moi attaquer Ramoth en Galaad? Josaphat répondit au roi d`Israël: Nous irons, moi comme toi, mon peuple comme ton peuple, mes chevaux comme tes chevaux.
4. Ary hoy koa izy tamin' i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an' i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely: Tahaka ny tenanao ihany aho, ary ny oloko dia olonao ary ny soavaliko dia soavalinao.
5. And Jehoshaphat said unto the king of Israel, Enquire, I pray thee, at the word of the LORD to day.
5. Puis Josaphat dit au roi d`Israël: Consulte maintenant, je te prie, la parole de l`Éternel.
5. Ary hoy Josafata tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio ny tenin' i Jehovah anio.
6. Then the king of Israel gathered the prophets together, about four hundred men, and said unto them, Shall I go against Ramothgilead to battle, or shall I forbear? And they said, Go up; for the LORD shall deliver it into the hand of the king.
6. Le roi d`Israël assembla les prophètes, au nombre d`environ quatre cents, et leur dit: Irai-je attaquer Ramoth en Galaad, ou dois-je y renoncer? Et ils répondirent: Monte, et le Seigneur la livrera entre les mains du roi.
6. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an' i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
7. And Jehoshaphat said, Is there not here a prophet of the LORD besides, that we might enquire of him?
7. Mais Josaphat dit: N`y a-t-il plus ici aucun prophète de l`Éternel, par qui nous puissions le consulter?
7. Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin' i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
8. And the king of Israel said unto Jehoshaphat, There is yet one man, Micaiah the son of Imlah, by whom we may enquire of the LORD: but I hate him; for he doth not prophesy good concerning me, but evil. And Jehoshaphat said, Let not the king say so.
8. "Le roi d`Israël répondit à Josaphat: Il y a encore un homme par qui l`on pourrait consulter l`Éternel; mais je le hais, car il ne me prophétise rien de bon, il ne prophétise que du mal: c`est Michée, fils de Jimla. Et Josaphat dit: Que le roi ne parle pas ainsi!"
8. Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak' i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin' i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
9. Then the king of Israel called an officer, and said, Hasten hither Micaiah the son of Imlah.
9. Alors le roi d`Israël appela un eunuque, et dit: Fais venir de suite Michée, fils de Jimla.
9. Ary ny mpanjakan' ny Isiraely niantso ny manamboninahitra iray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak' i Jimla.
10. And the king of Israel and Jehoshaphat the king of Judah sat each on his throne, having put on their robes, in a void place in the entrance of the gate of Samaria; and all the prophets prophesied before them.
10. Le roi d`Israël et Josaphat, roi de Juda, étaient assis chacun sur son trône, revêtus de leurs habits royaux, dans la place à l`entrée de la porte de Samarie. Et tous les prophètes prophétisaient devant eux.
10. "Ary ny mpanjakan' ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan' ny Joda, samy nipetraka teo amin' ny sezafiandrianany ao amin' ny fitoerana malalaka amin' ny fidirana ny vavahadin' i Samaria sady samy efa nanao ny fiakanjoany avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany."
11. And Zedekiah the son of Chenaanah made him horns of iron: and he said, Thus saith the LORD, With these shalt thou push the Syrians, until thou have consumed them.
11. Sédécias, fils de Kenaana, s`était fait des cornes de fer, et il dit: Ainsi parle l`Éternel: Avec ces cornes tu frapperas les Syriens jusqu`à les détruire.
11. Ary Zedekia, zanak' i Kenana, dia nanao tandro-by ka nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-pandringanao azy.
12. And all the prophets prophesied so, saying, Go up to Ramothgilead, and prosper: for the LORD shall deliver it into the king's hand.
12. Et tous les prophètes prophétisaient de même, en disant: Monte à Ramoth en Galaad! tu auras du succès, et l`Éternel la livrera entre les mains du roi.
12. "Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tanan' ny mpanjaka."
13. And the messenger that was gone to call Micaiah spake unto him, saying, Behold now, the words of the prophets declare good unto the king with one mouth: let thy word, I pray thee, be like the word of one of them, and speak that which is good.
13. "Le messager qui était allé appeler Michée lui parla ainsi: Voici, les prophètes, d`un commun accord, prophétisent du bien au roi; que ta parole soit donc comme la parole de chacun d`eux! annonce du bien!"
13. "Ary ilay iraka izay nandeha niantso an' i Mikaia niteny taminy hoe: Indro ankehitriny, iray teny ireo mpaminany milaza soa ho an' ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re mba ho tahaka ny tenin' ny anankiray amin' ireny ny teninao ka mba mitenena izay soa."
14. And Micaiah said, As the LORD liveth, what the LORD saith unto me, that will I speak.
14. Michée répondit: L`Éternel est vivant! j`annoncerai ce que l`Éternel me dira.
14. Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain' i Jehovah amiko ihany no hambarako.
15. So he came to the king. And the king said unto him, Micaiah, shall we go against Ramothgilead to battle, or shall we forbear? And he answered him, Go, and prosper: for the LORD shall deliver it into the hand of the king.
15. Lorsqu`il fut arrivé auprès du roi, le roi lui dit: Michée, irons-nous attaquer Ramoth en Galaad, ou devons-nous y renoncer? Il lui répondit: Monte! tu auras du succès, et l`Éternel la livrera entre les mains du roi.
15. Dia nankany amin' ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an' i Ramota-gileada va isika sa hijanona? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana fa hambinina ianao, fa hatolotr' i Jehovah eo an-tanan' ny mpanjaka izy.
16. And the king said unto him, How many times shall I adjure thee that thou tell me nothing but that which is true in the name of the LORD?
16. Et le roi lui dit: Combien de fois me faudra-t-il te faire jurer de ne me dire que la vérité au nom de l`Éternel?
16. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin' ny anaran' i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
17. And he said, I saw all Israel scattered upon the hills, as sheep that have not a shepherd: and the LORD said, These have no master: let them return every man to his house in peace.
17. "Michée répondit: Je vois tout Israël dispersé sur les montagnes, comme des brebis qui n`ont point de berger; et l`Éternel dit: Ces gens n`ont point de maître, que chacun retourne en paix dans sa maison!"
17. Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny amin' ny havoana toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto dia tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
18. And the king of Israel said unto Jehoshaphat, Did I not tell thee that he would prophesy no good concerning me, but evil?
18. Le roi d`Israël dit à Josaphat: Ne te l`ai-je pas dit? Il ne prophétise sur moi rien de bon, il ne prophétise que du mal.
18. Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
19. And he said, Hear thou therefore the word of the LORD: I saw the LORD sitting on his throne, and all the host of heaven standing by him on his right hand and on his left.
19. Et Michée dit: Écoute donc la parole de l`Éternel! J`ai vu l`Éternel assis sur son trône, et toute l`armée des cieux se tenant auprès de lui, à sa droite et à sa gauche.
19. Ary hoy Mikaia: Henoy àry ny tenin' i Jehovah: Nahita an' i Jehovah nipetraka teo amin' ny sezafiandrianany aho, ary ireo marobe rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin' ny ankavanany sy teo amin' ny ankaviany.
20. And the LORD said, Who shall persuade Ahab, that he may go up and fall at Ramothgilead? And one said on this manner, and another said on that manner.
20. Et l`Éternel dit: Qui séduira Achab, pour qu`il monte à Ramoth en Galaad et qu`il y périsse? Ils répondirent l`un d`une manière, l`autre d`une autre.
20. Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an' i Ahaba handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
21. And there came forth a spirit, and stood before the LORD, and said, I will persuade him.
21. Et un esprit vint se présenter devant l`Éternel, et dit: Moi, je le séduirai. L`Éternel lui dit: Comment?
21. Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan' i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy.
22. And the LORD said unto him, Wherewith? And he said, I will go forth, and I will be a lying spirit in the mouth of all his prophets. And he said, Thou shalt persuade him, and prevail also: go forth, and do so.
22. "Je sortirai, répondit-il, et je serai un esprit de mensonge dans la bouche de tous ses prophètes. L`Éternel dit: Tu le séduiras, et tu en viendras à bout; sors, et fais ainsi!"
22. Ary hoy Jehovah taminy: Amin' inona anefa? Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan' ny mpaminaniny rehetra.Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka ho resinao koa, mivoaha àry, ka ataovy izany.
23. Now therefore, behold, the LORD hath put a lying spirit in the mouth of all these thy prophets, and the LORD hath spoken evil concerning thee.
23. Et maintenant, voici, l`Éternel a mis un esprit de mensonge dans la bouche de tous tes prophètes qui sont là. Et l`Éternel a prononcé du mal contre toi.
23. Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga eo am-bavan' ireo mpaminaninao rehetra ireo, ary Jehovah dia efa nilaza ny loza hanjo anao.
24. But Zedekiah the son of Chenaanah went near, and smote Micaiah on the cheek, and said, Which way went the Spirit of the LORD from me to speak unto thee?
24. Alors Sédécias, fils de Kenaana, s`étant approché, frappa Michée sur la joue, et dit: Par où l`esprit de l`Éternel est-il sorti de moi pour te parler?
24. Fa Zedekia, zanak' i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak' i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan' ny Fanahin' i Jehovah tamiko hiteny aminao?
25. And Micaiah said, Behold, thou shalt see in that day, when thou shalt go into an inner chamber to hide thyself.
25. Michée répondit: Tu le verras au jour où tu iras de chambre en chambre pour te cacher.
25. Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao amin' izany andro izany, rehefa hiditra ao amin' ny efitrano anatiny hiery ianao.
26. And the king of Israel said, Take Micaiah, and carry him back unto Amon the governor of the city, and to Joash the king's son;
26. Le roi d`Israël dit: Prends Michée, et emmène-le vers Amon, chef de la ville, et vers Joas, fils du roi.
26. Dia hoy ny mpanjakan' ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin' i Amnona, governoran' ny tanàna, sy ho any amin' i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27. And say, Thus saith the king, Put this fellow in the prison, and feed him with bread of affliction and with water of affliction, until I come in peace.
27. Tu diras: Ainsi parle le roi: Mettez cet homme en prison, et nourrissez-le du pain et de l`eau d`affliction, jusqu`à ce que je revienne en paix.
27. Ka lazao hoe: Izao no lazain' ny mpanjaka: Ataovy ao an-tranomaizina ity lehilahy ity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana mandra-piveriko soa aman-tsara.
28. And Micaiah said, If thou return at all in peace, the LORD hath not spoken by me. And he said, Hearken, O people, every one of you.
28. Et Michée dit: Si tu reviens en paix, l`Éternel n`a point parlé par moi. Il dit encore: Vous tous, peuples, entendez!
28. Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin' i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino ianareo ry firenena rehetra.

Ahab Killed at Ramoth Gilead

29. So the king of Israel and Jehoshaphat the king of Judah went up to Ramothgilead.
29. Le roi d`Israël et Josaphat, roi de Juda, montèrent à Ramoth en Galaad.
29. Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan' ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan' ny Joda.
30. And the king of Israel said unto Jehoshaphat, I will disguise myself, and enter into the battle; but put thou on thy robes. And the king of Israel disguised himself, and went into the battle.
30. "Le roi d`Israël dit à Josaphat: Je veux me déguiser pour aller au combat; mais toi, revêts-toi de tes habits. Et le roi d`Israël se déguisa, et alla au combat."
30. Ary hoy ny mpanjakan' ny Isiraely tamin' i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin' ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan' ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin' ny ady.
31. But the king of Syria commanded his thirty and two captains that had rule over his chariots, saying, Fight neither with small nor great, save only with the king of Israel.
31. Le roi de Syrie avait donné cet ordre aux trente-deux chefs de ses chars: Vous n`attaquerez ni petits ni grands, mais vous attaquerez seulement le roi d`Israël.
31. Fa ny mpanjakan' i Syria efa nandidy ny roa amby telopolo lahy, komandin' ny kalesiny, nanao hoe: Aza miady na amin' ny kely na amin' ny lehibe, afa-tsy amin' ny mpanjakan' ny Isiraely ihany.
32. And it came to pass, when the captains of the chariots saw Jehoshaphat, that they said, Surely it is the king of Israel. And they turned aside to fight against him: and Jehoshaphat cried out.
32. Quand les chefs des chars aperçurent Josaphat, ils dirent: Certainement, c`est le roi d`Israël. Et ils s`approchèrent de lui pour l`attaquer. Josaphat poussa un cri.
32. Ary izao no niseho, nony nahita an' i Josafata ireo komandin' ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan' ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo, ka dia niantsoantso i Josafata.
33. And it came to pass, when the captains of the chariots perceived that it was not the king of Israel, that they turned back from pursuing him.
33. Les chefs des chars, voyant que ce n`était pas le roi d`Israël, s`éloignèrent de lui.
33. Ary izao no niseho, rehefa hitan' ireo komandin' ny kalesy, fa tsy ny mpanjakan' ny Isiraely izy, dia niverina tsy nanenjika azy izy.
34. And a certain man drew a bow at a venture, and smote the king of Israel between the joints of the harness: wherefore he said unto the driver of his chariot, Turn thine hand, and carry me out of the host; for I am wounded.
34. Alors un homme tira de son arc au hasard, et frappa le roi d`Israël au défaut de la cuirasse. Le roi dit à celui qui dirigeait son char: Tourne, et fais-moi sortir du champ de bataille, car je suis blessé.
34. "Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan' ny Isiraely teo anelanelan' ny fiarovan-tratrany; ka dia hoy izy tamin' ny mpitondra ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala amin' ny ady aho, fa maratra."
35. And the battle increased that day: and the king was stayed up in his chariot against the Syrians, and died at even: and the blood ran out of the wound into the midst of the chariot.
35. Le combat devint acharné ce jour-là. Le roi fut retenu dans son char en face des Syriens, et il mourut le soir. Le sang de la blessure coula dans l`intérieur du char.
35. "Ary nihamafy ny ady tamin' izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin' ny kalesiny tandrifin' ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro, ary ny rà nandeha avy teo amin' ny ratra ho ao anatin' ny kalesy."
36. And there went a proclamation throughout the host about the going down of the sun, saying, Every man to his city, and every man to his own country.
36. Au coucher du soleil, on cria par tout le camp: Chacun à sa ville et chacun dans son pays!
36. Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran' ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin' ny taniny avy!
37. So the king died, and was brought to Samaria; and they buried the king in Samaria.
37. "Ainsi mourut le roi, qui fut ramené à Samarie; et on enterra le roi à Samarie."
37. "Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria; dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka."
38. And one washed the chariot in the pool of Samaria; and the dogs licked up his blood; and they washed his armour; according unto the word of the LORD which he spake.
38. Lorsqu`on lava le char à l`étang de Samarie, les chiens léchèrent le sang d`Achab, et les prostituées s`y baignèrent, selon la parole que l`Éternel avait prononcée.
38. "Ary nosasana tao am-parihin' i Samaria ny kalesy ary avy ny alika nileleka ny rany, ary ny olona nanasa ny fiadiany; araka ny tenin' i Jehovah izay nolazainy."
39. Now the rest of the acts of Ahab, and all that he did, and the ivory house which he made, and all the cities that he built, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
39. Le reste des actions d`Achab, tout ce qu`il a fait, la maison d`ivoire qu`il construisit, et toutes les villes qu`il a bâties, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d`Israël?
39. Ary ny asan' i Ahaba sisa mbamin' izay rehetra nataony, sy ny trano ivory izay nataony sy ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany?
40. So Ahab slept with his fathers; and Ahaziah his son reigned in his stead.
40. Achab se coucha avec ses pères. Et Achazia, son fils, régna à sa place.
40. "Ary Ahaba lasa nodimandry any amin' ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy."

Jehoshaphat King of Judah

41. And Jehoshaphat the son of Asa began to reign over Judah in the fourth year of Ahab king of Israel.
41. Josaphat, fils d`Asa, régna sur Juda, la quatrième année d`Achab, roi d`Israël.
41. Ary Josafata, zanak' i Asa, dia nanomboka nanjaka tamin' ny Joda tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely.
42. Jehoshaphat was thirty and five years old when he began to reign; and he reigned twenty and five years in Jerusalem. And his mother's name was Azubah the daughter of Shilhi.
42. Josaphat avait trente-cinq ans lorsqu`il devint roi, et il régna vingt cinq ans à Jérusalem. Sa mère s`appelait Azuba, fille de Schilchi.
42. Dimy amby telopolo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin' i Sily.
43. And he walked in all the ways of Asa his father; he turned not aside from it, doing that which was right in the eyes of the LORD: nevertheless the high places were not taken away; for the people offered and burnt incense yet in the high places.
43. "Il marcha dans toute la voie d`Asa, son père, et ne s`en détourna point, faisant ce qui est droit aux yeux de l`Éternel. (22:44) Seulement, les hauts lieux ne disparurent point; le peuple offrait encore des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux."
43. "Ary nandeha tamin' ny lalana rehetra izay nalehan' i Asa rainy izy ka tsy niala tamin' izany, fa nanao izay mahitsy teo imason' i Jehovah; kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola nanao fanatitra sy mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany."
44. And Jehoshaphat made peace with the king of Israel.
44. (22:45) Josaphat fut en paix avec le roi d`Israël.
44. Ary Josafata nanao fihavanana tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely.
45. Now the rest of the acts of Jehoshaphat, and his might that he shewed, and how he warred, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
45. (22:46) Le reste des actions de Josaphat, ses exploits et ses guerres, cela n`est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?
45. Ary ny asan' i Josafata sisa sy ny heriny izay nasehony, mbamin' ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va?
46. And the remnant of the sodomites, which remained in the days of his father Asa, he took out of the land.
46. (22:47) Il ôta du pays le reste des prostitués, qui s`y trouvaient encore depuis le temps d`Asa, son père.
46. Ary ny sisa tamin' ny sodomita, izay tafajanona tamin' ny andron' i Asa rainy, dia nofongorany hiala tamin' ny tany.
47. There was then no king in Edom: a deputy was king.
47. (22:48) Il n`y avait point de roi en Édom: c`était un intendant qui gouvernait.
47. Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay fa olom-boafidim-bahoaka no nanjaka.
48. Jehoshaphat made ships of Tharshish to go to Ophir for gold: but they went not; for the ships were broken at Eziongeber.
48. "(22:49) Josaphat construisit des navires de Tarsis pour aller à Ophir chercher de l`or; mais il n`y alla point, parce que les navires se brisèrent à Etsjon Guéber."
48. "Ary Josafata nanao sambon' i Tarsisy hakany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo fa nahavakisana tao Ezion-gebera."
49. Then said Ahaziah the son of Ahab unto Jehoshaphat, Let my servants go with thy servants in the ships. But Jehoshaphat would not.
49. (22:50) Alors Achazia, fils d`Achab, dit à Josaphat: Veux-tu que mes serviteurs aillent avec les tiens sur des navires? Et Josaphat ne voulut pas.
49. Dia hoy Ahazia, zanak' i Ahaba, tamin' i Josafata: Aoka ny mpanompoko handeha hiaraka amin' ny mpanomponao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
50. And Jehoshaphat slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David his father: and Jehoram his son reigned in his stead.
50. (22:51) Josaphat se coucha avec ses pères, et il fut enterré avec ses pères dans la ville de David, son père. Et Joram, son fils, régna à sa place.
50. "Ary JosafatA lasa nodimandry any amin' ny razany, dia nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy."

Ahaziah King of Israel

51. Ahaziah the son of Ahab began to reign over Israel in Samaria the seventeenth year of Jehoshaphat king of Judah, and reigned two years over Israel.
51. (22:52) Achazia, fils d`Achab, régna sur Israël à Samarie, la dix-septième année de Josaphat, roi de Juda. Il régna deux ans sur Israël.
51. "Nanomboka nanjaka tamin' ny Isiraely tao Samaria i Ahazia, zanak' i Ahaba tamin' ny taona fahafito ambin' ny folo nanjakan' i Josafata, mpanjakan' ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin' ny Isiraely izy."
52. And he did evil in the sight of the LORD, and walked in the way of his father, and in the way of his mother, and in the way of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin:
52. (22:53) Il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, et il marcha dans la voie de son père et dans la voie de sa mère, et dans la voie de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël.
52. Ary nanao izay ratsy teo imason' i Jehovah izy, fa nandeha tamin' ny lalan' ny rainy sy ny lalan' ny reniny ary tamin' ny lalan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanota ny Isiraely.
53. For he served Baal, and worshipped him, and provoked to anger the LORD God of Israel, according to all that his father had done.
53. (22:54) Il servit Baal et se prosterna devant lui, et il irrita l`Éternel, le Dieu d`Israël, comme avait fait son père.
53. Fa nanompo an' i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra efa nataon-drainy.
<
>